Orinasa Jirama : tsy maintsy foana ny delestazy

“Tsy maintsy voavaha anatin’ny fotoana fohy ny delestazy”, hoy ny Jirama sy ny minisitera mpiahy. “Efa misy ny vahaolana saingy misy ny mpanararaotra”, hoy kosa ny depiote Rakotoarisoa Fetra.

Afaka telo herinandro dia tokony ho voavaha ny olan’ny jiro, araka ny nambaran’ny minisitry ny An­govo sy ny akoranafo (MRH), Jean Baptiste Olivier. “ Ham­pihodinina daholo ny milina mpamokatra herinaratra mandeha amin’ny menaka mavesatra HFO. Hampitomboina ho 20 ny isan’ny fiarabe, raha 14 izany ankehitriny”, hoy hatrany izy. Efa natomboka izany, saingy niato kely tamin’ny herinandro lasa teo. Nikatona ny 1 sy 2 novambra teo ny toby GRT any Toamasina, noho ny an­tony fikojakojana ny milina.
Nilaza ny tale jeneralin’ny Jovena, Donald Emerant, fa efa ao Toamasina ny solika HFO 24 000 m3, ampy hatramin’ny faran’ny volana desambra izany.
Nanazava ny tale jenarelin’ ny Jirama, Ron Weiss, fa anisan’ny vahaolana maharitra ny hampitomboana ny famokarana herinaratra avy amin’ ny masoandro. « Efa midina ifotony ny teknisianina amin’ny fametrahana azy ireo », hoy ny minisitra Jean Baptiste Olivier. Anisan’izany ny ha­metrahana toby ahitana takela-masoandro 20 MW eto Antananarivo, sy takelaka mi­tsingevana ahazoana 50 MW eo ambonin’ny farihin’Ivato. Any amin’ny faritra, hametrahana toby manana tanjaka 10 MW tsirairay avy any Antsira­nana, Nosy Be, Mahajanga, Fianarantsoa ary Toliara. Eo koa ny fananganana tohodrano any Ranomafana (64 MW), Mandraka III, Antetezambato, Sahofika ary Volobe.
Mahakasika ny tsy fahampian’ny rano, vahaolana efa novinavinaina koa ny handa­tsahana orana tsy voajanahary any amin’ny habakabaky ny tohodranon’Andekaleka, fa miandry ny fepetra toy ny ta­han’ny fitangoronan’ny rahona vao azo atao izany.

Misy manararaotra
Ho an’ny solombavambahoaka voafidy tany Miarina­rivo, Rakotoarisoa Fetra: « Efa nitondra vahaolana ny filoha Rajoelina. Mihoatra noho ny neritreretina aza», hoy izy.
« Raha olana ara-teknika, nisy ny vahaolana teknika, toy ny nampiakarana ho 450 000 litatra ny solika ampihodinana ny milina, raha 250 000 litatra teo aloha,….Saingy vao mainka mitombo ny delestazy», hoy hatrany ity olom-boafidy ity. «Iza no mahazo tombontsoa, manararaotra izao tranga izao? Tsy mitondra mankaiza ny korontana. Aoka tsy ho tratry ny vela-pandrik’ireo manararaotra ny zava-misy», hoy ihany izy namarana ny fanazavany.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: