Lany tsy nisy nitsipaka ny tetikasa Fly Over teny amin’ny Antenimieram-pirenena, omaly. Miisa roa ny fihodinan-dalana « Fly Over », ka eny Anosizato ny iray, ary eny amin’ny toby fitaterana Maki Andohatapenaka ny faharoa. Manodidina ny 30 tapitrisa dolara ny asa, ka avy amin’ny Banky arabo ho an’ny fampandrosoana ny 28 tapitrsa dolara, ary an’ny fanjakana malagasy ny 3 tapitrisa dolara.
Hifanakalo antotam-baovao amin’ny alalan’ny fitsirihana ara-janabolana ny tontolo an-dranomasina aty amin’ny faritra andrefan’ny ranomsimbe Indianina ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga (MPEB) sy ny Global Fishing Watch. Hanampy amin’ny fananana ireo jery todika mahakasika ny antontam-baovao nanomboka ny taona 2012 ka hatramin’izao ity fiaraha-miasa ity.
Naranty tany Paris ny cacao sy ny sokola vita malagasy nandritra ny « salon du chocolat », ny herinandro teo. Nanandratra avo ny vokatra avy eto an-toerana sy eo amin’ny tsenam-barotra iraisam-pirenena ireo kaoperativa mpamboly sy mpanodina ary mpanondrana ireo vokatra ireo. Manosika sy mampirisika ny sehatra tsy miankina handray anjara amin’ny hetsika toy izao ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra.