Ao anaty fitetezam-paritra ao Frantsa ny horonantsary “Sitabaomba, chez les zebus francophones”, an’i Lova Nantenaina, amin’izao fotoana izao. Anisan’ izany ilay notanterahina omaly tao amin’ny Espace Saint Michel Paris, nandefasana ny horonantsary sy nanatanterahana tafa niarahana tamin’ity mpanatontosa ity. Tao anatin’izany no namelabelarany ny hafatra tiany hampitaina amin’ity sanganasany ity. Mbola hitohy ao Nantes sy Herouvilles ny fitetezam-paritra ataon’izy ireo hatramin’ny faran’ny herinandro, ankoatra ny fandefasana ny horonantsary amina efitrano maro ao Frantsa. Rehefa tontosa ny ao Frantsa, i Allemagne indray no handray ny “Sitabaomba, chez les zebus francophones”.
Horonantsary fanadihadiana anisan’ny miavaka ity nosoratan’i Lova Nantenaina ity. Ao anatin’izany no iresahana ny tantaran’i Ly. Anisan’ny mpikabary farany eto an-dRenivohitr’i Madagasikara i Ly. Niova ny fiainany tamin’ny taona 2016, rehefa nanomboka nitsiriritra ny tany novoleny ireo mpandinika mitam-piadiana efa ela. Toy ny atody miady amin’ny vatokely i Ly sy ny namany tantsaha, ary ny zanany sy ny saribakolin’ny hatsikana maneso no mitantara ny tantaran’ny olon-dehibe. Anisan’ ireo zavakanto maneho ny mbola fanjanahana amin’izao fotoana izao izy ity, araka ny tsikera nataon’ireo mpahay horonantsary. “Hain’ ny mpanatontosa tsara ny naneho izany endri-panjanahana izany amin’ny endrika kanto ka manome lanja ity horonantsary ity”, hoy i Valentin Verhague, vahiny mpahay horonantsary matihanina anisan’ny nitondra tsikera tamin’ny “Sitabaomba, chez les zebus francophones”.
Lin