Hifanakalo antotam-baovao, manomboka anio, ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga (MPEB) ary ny Global Fishing Watch amin’ny alalan’ny ny fitsirihana ara-zanabolana ny tontolo an-dranomasina. Hanampy amin’ny fananana ireo jery todika mahakasika ny antontam-baovao nanomboka ny taona 2012 ka hatramin’izao ity fiaraha-miasa ity. Noho izany, «hahafahana mijery ny zavatra nataona sambo iray eto an-toerana ao anatin’ireo vanim-potoana voalaza etsy ambony izao fifanaraham-piara-miasa izao», hoy ny minisitry ny Jono sy ny toekarena manga, afakomaly, nandritra ny atrikasa fanombohana ity fiaraha-miasa ity teny Alarobia. Noho izany, hifameno amin’ny fitsirihana an-dranomasina ataon’ny sambo malagasy ny fitsirihana ara-zana-bolana ataon’ireo mpiara-miombon’antoka indrindra ahahafahana manara-maso ny fari-dranomasin’i Madagasikara.
Ankoatra izay, hifanome tanana ihany koa ny firenena rehetra hamahana ny jono tsy manara-dalàna, tsy voambara ary tsy voafehin-dalàna (pêche INN). Marihina fa mahatratra hatrany amin’ny 700 isan’andro ny sambo mandalo ny fari-dranomasin’i Madagasikara ka tokony ho fantatra avokoa ny asa ataony mba hisorohana ny fanararaotana. Tombony ho antsika ny fananany fari-dranomasina midadasika azo trandrahana ho fampiroboroboana ny toekarna. Mandray anjara 7% amin’ny harinkarena faobe rahateo ny jono sady kitro ifaharan’ny fampandrosoana ka tokony trandrahana sy arahi-maso manokana.
Henintsoa H.