Raharaha Ankatso II: sazy mihantona 2 taona sy lamandy 15 tapitrisa Ar ny talen’ny CrouA

Nomelohin’ny fitsarana sazy mihantona roa taona sy lamandy 15 tapitrisa Ar ny talen’ny CrouA, nandritra ny fotoam-pitsarana mikasika ny raharaha fandravana tamboho teny Ankatso II.

Niakatra fitsarana, omaly, tetsy Anosy ny raharaha fandravana tamboho, anenjehana ny talen’ny CrouA. Nivoaka ny didy ka nomelohin’ny fitsarana sazy mihantona roa taona sy lamandy 15 tapitrisa Ar ny tenany.
Raha ny fanazavan’ny mpisolovava azy, anton’ny fiampangana azy ny famotehana fananan’olona, izay tafiditra ao anatin’ny fanorenana tsy ara-dalàna eny Ankatso II. Nilaza ny fitsarana fa tokony taorian’ny didim-pitsarana ny CrouA vao nanao ny fandravana.
Tetsy andaniny, nijoro ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikaroahana siatifika (Mesupres) ary nanao fanambarana ka nankahery ny talen’ny Croua manoloana ny raharaha mikasika ny fanakanana fanorenana tamboho tsy ara-dalàna eny amin’ny faritra fonenan’ny mpianatra.
Mijoro hatrany ny minisitera amin’ny ady atao amin’ny fibodoana tsy ara-drariny sy ny fandrobana ny tany na fananan’ny oniversite izay holovain’ny taranaka fara mandimby.
Manameloka tanteraka ireo hery famoretana rehetra sy fandrahonana na mivantana na ankolaka, izay ataon’ny olom-bitsy amin’ny mpitantana, mpandraharaha ary mpianatra ihany koa ny minisitera.
Miantso ny mpiara-miasa rehetra ny minisitera mba ho tony manoloana ny zava-misy. Manentana ny tsirairay ny Mesupres mba hanaja ny fananana iombonana ary hitsinjo ny fampianarana ambony .

Tatiana A

Partager sur: