ONG Merci : asa mendrika ho an’ny olona manana fahasembanana

Nikarakara hetsika lao-bary an-dasy ho an’ny olona manana fahasembanana ny ONG Merci, omaly, tetsy Faravohitra. Nampitondraina ny lohahevitra hoe : “asa mendrika ho an’ny olona manana fahasembanana, ma­nome lanja ny zony hiasa mitovy amin’ny olon-drehetra”.
Misedra olana maro eo amin’ny sehatry ny asa ny olona manana fahasembanana eto Madagasikara. Anisan’ izany, ny fotom-pisainan’izy ireo voakolokolo hangataka sy hisitraka lava. Mbola manana fomba fijery ma­nambany sy tsy matoky azy ireo ihany koa ny orinasa sy ny mpampiasa. Antony ma­hatonga ny fiainana tsy mi­voatra hoy ny tompon’andraikitra, Rakotoarisoa Holiniai­na, tale mpanorina sy mpanatanteraka ny ONG Merci. Karazana asa toy ny “entrepreneur”, miasa amin’ny orinasa, mpamboly, mpampianatra sns ireo olona manana fahasembanana. Afaka ma­natanteraka ny asa sahaniny izy ireo na dia eo aza ny sakana eo amin’ny toe-batany. Ilaina fanampiana avy amin’ny orinasa anefa izany mba hisitrihan’izy ireo asa mendrika. Tanjon’ny hetsika ny hanangonana ireo fehin-kevitra momba ny olana sedrain’izy ireo eo amin’ny sehatry ny asa. Mba hanolorana vahaolana mifanandrify amin’izany. Hisy ny tatitra amin’ny antsipirihany sy fitondrana teny eny anivon’ny fitondram-panjakana aorian’ny hetsika. Tafiditra tao anatin’ny tetikasa Voizo CBID Analamanga ny hetsika. Ma­rihina fa mbola ao anatin’ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny olona ma­nana fahasembanana, ankalazaina isaky ny telo desambra izy ity. Tonga nanatrika izany, ny avy ao amin’ny ministera sy orinasa maro ary ny fikambanana iraisam-pirenena “PTF” sns.

Mino (Mpianatra Asa)

Partager sur: