Campus- Barikadimy : hoesorina ny mpianatra mandritra ny fanamboarana

Efa hatramin’ny 22 de­sambra lasa teo no nisian’ny fanambarana avy tamin’ny “service des oeuvres” eo anivon’ny oniversiten’i Bari­kadimy, Toamasina fa tokony hiala ny trano misy azy ny mpianatra rehetra. Hisy ny fanamboarana sy fanarenana ireo fotodrafitrasa, toy ny trano fonenana, izay misy fahasimbana nohon’ny fahanterana. Eo koa ny simba vokatry ny fandorana nataon’ny mpianatra mitokona. Anisan’ izany ilay trano vaovao misy rihana telo mbola tsy nozaraina, efa kila forehitra sahady ny taona 2021 lasa teo. No­hamafisin’ny tompon’andraikitra fa betsaka ny olona tsy tokony hisitraka ny trano no mbola mipetraka anatin’ny “Campus”. Mahatonga ny tsy filaminana sy korotana matetika izany.
Hita ao avokoa ny mpiompy akoho amam-borona, mpivarotra zava-mahadomelina sy mahamamo.
Noho ireo antony ireo, maro ny mpianatra no mitaraina amin’ny fahasimban’ny trano. Misy mifanila amin’ny akoho amam-borona ompian’ ny sasany. Eo ny voakotaba ny trano fandihizana.

Mila alamina
Mila alamina ny mikasika izany amin’izao fanakisahana vetivety ny mpianatra izao. Voalaza fa nanomboka ny 23 desambra no tokony hikisa­han’ny mpianatra, mifarana ny 03 janoary 2023. Tao anatin’izay, efa maro ny “fiche des logements” namidy ta­min’ireo mpianatra, hahafahany mangataka ny trano amin’ny fiverenany. Tsy marina ny feo miely fa tsy ho tafaverina anaty trano intsony izay noesorina.
Izay mahafeno fepetra sy tena mpianatra dia tsy maintsy hahazo efitrano avokoa amin’ ny fiverenany, raha ny fanazavan’ny tompon’andraikitra.
Lamina niarahan’ny mpianatra sy mpampianatra, ary mpandraharaha eo anivon’ny oniversite Barikadimy no nakana izao fanapahan-ke­vitra izao. Tsy tokony hisy olona intsony ny campus manomboka ny 4 janoary. Hanomboka eo ny fanamboarana ny fahasimbana rehetra.
Nambaran’Atoa Randria­lahamady Solo, tompon’andraikitra ao amin’ny oniversite fa atao fanao isan-taona amin’ny fotoan’ny fialan-tsasatra amin’ny fahavitany ny taom-pianarana ny tahaka izao. Takiana ny hisian’ny fiovan-toe-tsaina eo amin’ny mpianatry ny oniversite amin’ ity fandorana fotodrafitrasa isaky ny misy fitokonana ity.

Sajo

Partager sur: