Felana Rajaonarivelo: mitohy ny fahombiazan’ny Debout 

Notontosaina ny 2 hatramin’ny 6 novambra 2024, ao Lomé Togo, ny « Emergence Films Festival” andiany faha-11. Nisolo tena an’i Mada­gasikara tao anatin’izany i Felana Rajaonarivelo, tamin’ny alalan’ny horonantsary fanadihadiana Debout! Horo­nantsary miisa 33 nizara ami­na sokajy efatra no voafantina nifaninana tamin’izany fifaninanana izany. Firenena 15 avy eto Afrika sy Amerika ary Eoropa no nandray anjara tamin’izany. Amboara roa no azon’ny solontena malagasy tamin’izany. Voalohany ny “Prix femme d’impact” ary faharoa ny fankasitrahana manokana avy amin’ny mpitsara.
Horonantsary fanadihadiana tsy mitsahatra mivelatra eo amin’izao tontolo izao ny Debout. Porofon’izany ny maha voafantina azy handray anjara amina fifaninanana iraisam-pirenena maro. Anisan’ izany ny “festival d’écran noir” natao tany Cameroun, ny volana oktobra teo. Raha tsiahivina, horonantsary fanadihadiana maneho ny fiainana andavanandrona vehivavy ma­nana fahasembanana izy ity. Ao anatin’izany ny anehoany fa tsy sakana amin’ny fivoaram-piainana ny fahasembanana.

Lin

Partager sur: