Ao anatin’ny 12 taona nianarana ny taranja malagasy (Taona 1 hatramin’ny kilasy famaranana) ny zanaky ny Malagasy, kanefa, sady tsy mahay fitsipi-panoratana ny teny malagasy no tsy mahafantatra ny fomba malagasy, tsy mahay miteny malagasy! Mila ahitsy ny fandaharam-pianarana mandrafitra ny taranja malagasy misy ankehitriny.
Tsy hahita vokatra tsara amin’izany, anefa, raha tsy omena fiofanana ny mpampianatra. Maro loatra ny banga sy lesoka eo amin’izy ireo. Vitsy, ohatra, ny mpampianatra ny taranja malagasy no mahafantatra momba ny fomba amam-panao malagasy. Amin’ny ankapobeny, manana ny fahaiza-mampita fahalalana ny mpampianatra, saingy, ilay fahalalana hampitainy no mila hatevenina.
Raha ny lamina voajanahary fahita maneran-tany eo amin’ny tontolon’ny fampianarana, ny taranja ianarana ny teny, ny fomba amam-panao, sns, eo amin’ny firenena iray no anisany mitana sy mahasarika sy mahaliana ny zanak’ilay firenena. Io no mitarika any amin’ny fitiavan-tanindrazana!
HaRy Razafindrakoto