Misongadina tsikelikely eo amin’ny iraisam-pirenena ny mozikan’i Nantenaina Andriamorasata, mpitarika ny Vakamiarina. Nampiditra ny sanganasany amin’ilay fifaninanam-pirenena momba ny famoronana mozika ho an’ny zavamaneno harpe izy. Maromaro ireo mpifaninana maneran-tany, saingy voafidy tao anatin’izany ny ” Lonely”. Hilahatra amin’ny sangasan’ireo mpanakanto avy any Etazonia, Brezil, Australie, Espagne, sns, ity mozikan’i Nantenaina Vakamarina ity. Araka ny filaharana navoakan’ny mpikarakara, ny 11 novambra ho avy izao no hivoaka ny “video” mirakitra izany, ahafahan’ny rehetra mankafy ireo mozika hifaninana.
Toeram-pikarohana sy fianarana mitendry ny harpe ny PoopyHarp, izay mikarakara ny fifaninana sy mamadika ireo sanganasa hifaninana, lalaovina amin’ity zavamaneno ity. Any Angleterre ny foibeny, izay sady manofana no ahitana ireo mpitendry harpe kalaza indrindra ihany koa. Mpitendry matihanina avy ao Angleterre, Ecosse, Irlande ary Etazonia izy ireo no nifampizara hamelona ireo sanganasan’ny mpifaninana tsirairay. I Sophie Rocks, tovovavy avy any Glasgow Ecosse, izay efa anisan’ireo kalaza amin’ny fitendrena harpe no voafidy hamelona ny “Lonely”, sanganasan’i Nantenaina Vakamiarina.
Zo ny Aina