Ilaina ny manovo traikefa sy fahalalana ahafahana mampiroborobo ny fandraharahana. Antoka ho fahombiazan’ny mpandraharaha iray ny fifehezana ny fotodrafitrasa sy ny hamantaran’ny rehetra ny orinasa tantaniny.
Mandalo sedra goavana samihafa ny mpandraharaha sy ireo orinasa samihafa anatin’ny tontolo misy azy. «Ireo fotodrafitrasa tsy voafehy sy ireo orinasa tsy be mpahafantatra, ireo no tsy mampaharitra ny fandraharahana ataon’ny orinasa eto Madagasikara», hoy ny Club des entrepreneurs, Madagascar Entreprise Développement (MED) Aina Vao. «Ilaina ny manovo traikefa sy mifampizara fahalalana ahafahan’ny mpandraharaha miatrika ny zava-misy, eo koa ny fanofanana ny toe-tsain’ny mpandraharaha», araka ny fanazavan’ ny tomponandraikitra avy amin’ ny MED, Ramananjato Miora, omaly nandritra ny Forum national des entrepreneurs, andiany fahenina tetsy Antaninarenina. Anisan’ny misitraka izany ireo mpandraharaha 440 mivondrona ao anatin’ny fikambanana tantaniny. Lohahevitry ny hetsika tamin’ity taona ity ny hampaharitra ny fandraharahana (renforcer la viabilité des futures entrepreneurs malagasy). Tanjona ny hanomezana tantsoroka sy toromarika ireo mpandraharaha momba izany. Marihina fa hisy ny hetsika isan-karazany mandritra ny roa andron’ny «Forum des entrepreneurs».
Fanamby
Vina apetrak’ireo mpikarakara ny hanampy sy hanome tosika ireo orinasa mba hahafahany miatrika sy mivelatra mandritra ny taona maro.
Mahatratra 49,5% ireo orinasa mikatona ao anatin’ny dimy taona voalohany nisiany. Lasibatr’izany avokoa ny 80% amin’ireo mpandraharaha vao misondrotra ka mampitsahatra avy hatrany ny asany. Midika ho fiafaran’ny nofy sy ny tetikasa nanaovana ezaka samihafa ny fanakatonana orinasa iray. Lokanady ho an’ny faharetan’ny fandraharahana ireo fanamby ara-toekarena apetraka.
Henintsoa Hani