Akora efa niasa : 30 niofana omba ny asa tanana maitso

Ao anatin’ny fandaharanasa Passat 4 ny fiaraha-mia­san’ny ONG Welthungerhilfe (WHH) sy ny minisiteran’ny Fizahantany sy ny asa tanana (MTA), vatsian’ny MBZ ara-bola. Ao anatin’izany ny fanofanana ho mpampiofana miisa 30 mianadahy avy eto amin’ny faritra Analamanga, Atsimo Andrefana ary Atsinanana. Avo lenta ny fiofanana, nandritra ny 4 andro, nanomboka ny 4 hatramin’ny 7 novambra, niompana tamin’ny fitantanana maharitra ny fako. Nambaran’ny minisitra MTA, Dewa Viviane, fa miavaka ity fanofanana ity, satria fampiroboroboana ny atao ho asa tanana maitso, amin’ny fiarovana ny tontolo iainana. Eo koa ny famokarana zezi-pako ilaina amin’ny fambolena. Miteraka asa sady mampidi-bola ny mpanao asa tanana.
Maro ny akora efa niasa azo avadika ho vokatra indray, toy ny tavoahangy plastika sy ny baoritra, volontsangana, tavoahangy,… havadika ho poketra, haingon-trano, kojakoja ao an-trano (fitoeram-bilia, fampiriman-javatra, jiro, …). Eo koa ny fanamboarana firavaka ho an’ny vehivavy (rojo, kavina, fehin-tanana, sns)

Mpanao asa tanana miisa 100
Nomarihin’ny minisitra koa, fa tokony hanofana olona 30 vaovao ny mpampiofana tsirairay amin’ity andiany voalohany ity, rehefa tonga any amin’ny faritra niaviany. Tanjona ny hisian’ny mpanao asa tanana vaovao isaky ny faritra.

Njaka A.

Partager sur: