Diso ny filazana fa hiakatra ny tahan’ny hetra alaina amin’ny karama sy ny vola miditra amin’izany (IRSA) ho an’ny taona 2025. Nanolo-kevitra ny ampiakatra ny taha ho 25% ho an’ireo manana karama ambony, ny Tahirim-bola iraisam-pirenena (FMI) ny volana jolay teo saingy tsy nampihatra izany ny fitondram-panjakana
Mpizahatany miisa 170 nahitana ekipa
maherin’ny 120 no nitsidika ny kirindy sy ny Allée des baobabs, ny sabotsy lasa teo, tao amin’ny faritra Menabe. Nankafy nijery ireo karazam-bidy sy baobab tany an-toerana ireo mpandeha ny sambo Sioan Hellenic. Teratany rosianina sy amerikanina ny ankamaroan’izy ireo.
Notombanana ny tetikasa PIC 3, vatsian’ny Banky iraisam-pirenena ara-bola. Anisan’izany ny fanamboaran-dalana any Nosy Be (Helle-Ville-Andilamena), ny RN57 (Hell Ville- Fascène), ny lalana ao an-tampon-tanànan’i Mananjary, Farafangana, Manakara, Toliara, Fenerive Atsinanana, Maroantsetra, Sainte-Marie, Sambirano, sns.
Napetraka ny vovonana, hanangonana sy hitantanana ny antontanisa sy antontan-kevitra, mirakitra ny lafiny fambolena, ny fiompiana ary ny fanjarian-tsakafo eto Madagasikara. Misy ny fiaraha-miasa amin’ireo Nosy aty amin’ny ranomasimbe Indiana, hampitoviana sy handrindrana ny fomba fiasa.