Tanterahina anio tolakandro, eny amin’ny Musée de la Photographie Anjohy, ny fampirantiana «Maison des vivants-Tranon’ny velona», hanehoana ireo karazana taotrano maro samihafa misy eto Madagasikara. Eo ihany koa ny hanomezana sehatra sy fanomezam-boninahitra ireo Mpahay taotrano ary hanasongadinana ny fahaiza-manaon’izy ireo. Ankoatra ny fampirantiana mahakasika ny trano sy ny taotrano, hisy ihany koa ny fampisehoana maro samihafa iarahana amin’ireo mpanakanto sy mpiangaly Slam.
Firenena ahitana karazana taotrano maro samihafa i Madagasikara. Nisy ireo nentin’ny vahiny fa nisy kosa ireo nolovaina tamin’ny razambe tany aloha. Ankoatra izay endriny izay, anisan’ny mampiavaka ny trano eto Madagasikara ihany koa ny akora anaovana azy. Misy ny nentim-paharazana sahala amin’ny trano vita amin’ny tany, antsoina hoe tovapeta; ny vita amin’ny hazo, antsoina hoe trano falafa. Misy kosa anefa ireo nentin’ny vahiny vita amin’ny hazo, amin’ny biriky sy ny maro hafa. Ireo rehetra ireo no ho hita mandritra ny rantin-tsary ao amin’ny Musée de la Photographie Anjohy.
Handravaka izany ny seho an-tsehatra iarahana amin’i Njara Marcel sy Myh en Mbalait ary ireo mpiangaly Slam sy ireo mpitendry valiha. Sehon-javakanto maroloko, araka izany, no ho hita eny an-toerana. Hetsika maimaimpoana ary misokatra ho an’ny rehetra.
Lin