Hiverina ny adin-kiragasy ao amin’ny Kianja Ra-Petit Ampefiloha. Hifanandrina ny alahady izao, manomboka amin’ny 10 ora maraina, ny tropin-dRavalomanana Fenoarivo sy ry Fredy kely avy eny Imerintsiatosika. Ny fikambanan’ny mpihiragasy no mikarakara ny hetsika, ary efa natolotra ho ampiasain’izy ireo rahateo ity kianja ity, ka ezahina hitohy isaky ny alahady izany.
Johary mihira Kintana Telo sy Barijaona. Handeha mivantana ao amin’ny www.sehatra.com ilay fampisehoana izay hotontosaina rahampitso, manomboka amin’ny 2 ora sy 14 minitra, eny amin’ny CCI Ivato. Natao hamaliana ny fangatahan’ireo Malagasy manerana an’izao tontolo izao izany, sy ireo eto an-toerana ihany fa tsy afaka manatrika mivantana ny seho. Tsiahivina fa hanotrona ny tarika Johary mandritra ny seho ireo namany toa an-dry salomon, lilie, Lily ary Lizah Raseta.
« Valan’ny kolontsaina sy ny kanto 3H », hotanterahina any Montréal Canada, ny 16 novambra izao manomboka amin’ny 2 ora tolakandro. Takarivan-kolontsaina mba ho vakoka hajaina. Antsa tononkalo nosoratan’i Hajaina, ravahin’ny hira kalon’ny omaly sy kalon’ny fahiny iarahana amin’i Jeannot sy i Zana.
Anjaran’ny teto Antananarivo indray no nianoka ny horonantsary “Disco Afrika: une histoire malgache”. Notanterahina omaly, teny amin’ny Cinepax Ambodivona, ny fandefasana izany horonantsary izany. Horonantsary maneho ny zava-misy iainan’ny Malagasy, indrindra ny tanora. Mbola hisy ny fandefasana izany eny amin’ny Canal Olympia Andohatapenaka, ny 15 novambra izao.