Olon-tokana tsy afa-kanova firenena iray, araka ny tenin’ny filohan’ny Repoblika tamin’ny fifampizarana tamin’ny delegasion’ny Emirates Arabo Mitambatra. Mahasadaikatra sy mahavalalanina fa toa niandrasana ny fidinany ifotony, ohatra, ny famahana ny olana amin’ny famatsian-jiro sy rano. Ifampiandrasana ny raharaha? Na tsy matoky tena ny tomponandraikitra isan-tsehatra sy isan’ambaratonga, na miandry baiko… Eny, na efa fantatra izao aza ny fahasahiranana. Indrindra ny fitarainan’ny vahoaka, ny fahoriany amin’izany, ny fahapoteham-piainana…
Izay tokony hamaha olana indray no lasa olana, raha atao toy izany avokoa ny raharaha, sanatria? Eo ny vahoaka hitsara sy mahatsapa izay iainany isan’andro mandavantaona: efa misy fihatsarany ve, ohatra, ny amin’izay manahirana? Na mba mahalala ny fahasahiranan’ny vahoaka ifotony ny tomponandraikitra… Tsy iandrasana fampiakaram-peo sy korontana, sanatria, vao ikoropahana. Mila mahatsinjo mialoha izay mety hitranga ny hoe mitondra. Raha azo atao, misoroka mialoha izay mety ho fahavoazana na tsy fahalavorariana ahina hitranga. Aiza ho aiza?
Mba hisy amin’izay ny fiovana sy fanovana eo amin’ny fomba fiasa. Soa kenda, hahay mitsako; soa lavo, hahay mamindra. Ny adala, hono, no indroa latsaka amin’ny lavaka nianjerany. Nefa hiandry fahavoazana ve, sanatria, vao hanova famindra? Na hiandry baiko… Efa fahavoazana marolafy izay misy sy iainan’ny vahoaka amin’izao. Mila tomponandraikitra azo atokisana amin’ny ataony, manana fahatokisan-tena, fahasahiana, ahitam-pahombiazana, haingam-piasa… Ny fananana izany no anomezana andraikitra sa ny fandraisana andraikitra no tsy maintsy ananana izany? Tsy fotoan’ny andranandrana intsony izao. Mahantra sy fadiranovana ny vahoaka.
R. Nd.




