« Our Generation » : nihazo an’i Russie i Filamatra Matokia

Mitodika any aminy ny Malagasy rehetra maneran-tany. Lasa nihazo an’i Kazan, any Russie, i Filamatra Matokia Randriamampionona. Izy ilay tovovavikely hisolo tena an’i Madagasikara amin’ilay fifaninanan-kira “Our Generation”, izay hatao any an-toerana, ny 16 novambra izao. Ilay hirany “Iray” no entin’i Filamatra matokia hifaninana mandritra izany hambaboana ireo mpitsara.
Fitiliana ireo ankizy sy tanora manan-talenta, 9 hatramin’ny 11 taona, manerana ireo firenena maro ny “Our Genera­tion”. Miisa 15 izy ireo no hifaninana amin’ity, izay samy manana ny mampiavaka azy avokoa. Tsy ambaka an’ireo anefa ny Malagasy solontena, satria kely dia niaina tao anatin’ny zavakanto i Filamatra Matokia. Zanak’i Stan sy Nanah, izay samy mpanakanto nalaza tamin’ny fifaninanan-kira Pazzapa izy, ary nanaraka azy any rahateo ny reniny.
Efa niomana fotoana ela, ary notohanan’ireo mpanakanto manam-pahaizana toa an’i Hiary Rapanoelina sy i Jack Thierry i Filamatra Matokia, nialoha izao. Nandray ny tsodranon’ny minisitry ny Kolontsaina sy ny serasera, i Mara Vola­miranty Donna, izy nialoha ny niaingany.

Zo ny Aina

Partager sur: