Harena an-kibon’ny tany : hiverina misokatra ny Base Toliara amin’ny taona 2025

Manan-karena ambanin’ny tany i Madagasikara, afaka mitondra fampandrosoana. Hisy tetikasa roa lehibe hanomboka amin’ny taona 2025.

Hiavaka ny taona 2025 ho an’ny tontolo ara-toekarena eto Mada­ga­si­kara. Hisy tetikasa roa lehibe momba ny fitrandrahana va­venty ny harena an-kibon’ny tany hihodina, araka ny ao anatin’ny Fandaharanasam-panjakana hotanterahina (PMO), voafaritry ny Politi­kam-panjakana ankapobeny (PGE). Nohamafisin’ny minisitry ny Harena an-kibon’ny ta­ny, Rakotomalala Herindrainy, hatramin’izay, fa laharam-pahamehan’ny governemanta ny fampiroboroboana ny fi­tran­drahana vaventy. Azo heverina fa iray amin’ireo roa ireo ny fanokafana indray ny orinasa Base Toliara, izay efa lasan’ny orinasa amerikana Energy Fuels. Nanamarina izany ny masoivohon’i Etazo­nia eto amintsika, i Claire Pierangelo, fa «hanatsara ny endrik’i Madagasikara sady hampirisika ny mpampiasa vola amerikana ny fisian’ny tetikasa toy izany».
Anisan’ny nasongadin’ny filoha Rajoelina Andry, nandritra ny fivoriamben’ny tsenam-paritra Comesa tany Burundi, farany teo, fa ao anatin’ireo firenena afrikanina manana harena an-kibon’ny tany i Madagasikara. Vahaolana hiadiana amin’ny fahantrana izany, ka mila paikady matotra mba hipaka mivantana any amin’ny mponina sy ny taranaka any aoriana. Efa misy ny fitrandrahana ny karazan-tany tsy fahita firy, ny kobalta, ny bauxite, ny vanadium, ny grafita, sns.

Miantoka ny 33% ny fanondranana any ivelany
Avy amin’ny harena ambanin’ny tany ny 33% ny fanondranan’i Madagasikara entana any ivelany, manampy betsaka ny fidiram-bolan’ny fanjakana izany. Araka ny antontanisa 2024 navoakan’ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana (Bad), nitombo 5,2 % ny fitrandrahana indostrialy harena ambanin’ny tany. Nahatonga ny fitomboana ara-toekarena ankapobeny +4,3% ny taona 2022, ary +4,4% ny 2023. Satria nitombo ny filana eo amin’ny tsena iraisam-pirenena (nikela, kobalta, tany tsy fahita firy, grafita, …), noho ny famokarana angovo azo havaozina, toy ny fanamboarana bateria ho an’ny fiara elektrika sy ny angovo avy amin’ny rivotra, ohatra.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: