Fotoanan’ny fandavantena !

 

Mahavariana ny zava-misy ! Inona ary ny olana ho an’ity Madagasikara malalantsika ity? Mahavariana ny fampijaliana vahoaka ataon’ny sasany. Nanaitra ny nahita ny filazan’ny praiminisitra fa tsy maintsy havoaka faran’izay aingana ny fitaovana hamokarana herinaratra. Efa oviana anefa ireo no nihitsoka tao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasiana? Amam-bolana ny valiny. Niniana tsy navoaka angamba! Mba hanakorontanana? Asa re fa dia mampiteny ny moana ny zava-misy.
Mahatonga saina ny fomba fiasa. Don-databatra lava izao izany vao mba hisy haka fanapahan-kevitra matotra. Misy mahazo tombony amin’ny fifampihazoazoana eto Madagasikara. Misy migoaka tombontsoa amin’ny fampikantsoana ny raharaham-pirenena, ankapobeny mihitsy. Aiza ho aiza amin’izany ity Madagasikara tsy maintsy mandroso? Tsy ho tratra mihitsy ny tanjona raha mbola misy volo mpanoa randrana, sy manao fandoto iray tandroka.
Tsy maintsy ilay filohan’ny Repoblika foana ve izany no hisalovana ity andraikitra rehetra ity? Hita fa manao tazan-davitra ny ankamaroan’ny olom-boatendry. Mamela azy miady irery. Ny tena zava-doza, tsy misy mpiaro fa dia mandeha amin’ny nahim-pony sy manao sorona ny tenany mihitsy. Maro ny asa miandry, betsaka ny fanamby mila tanterahana koa asakasak’izay hiraviravy tanana. Firenena tsy afaka ny miandry fa mila vonjy maika i Madagasikara.
Zary voambolana tokony ahazatra ny hoe ‘‘tsy maintsy” fa tsy ny “tokony”. Asa sy fandraisana fanapahan-kevitra avy hatrany no ilaina eto Madagasikara. Mila mijoro sy manao izay atao ny olona tsara sitrapo rehetra ka baikoan’ny fitiavana tanindrazana. Toraka izany ny famolavolana ny tetikasam-pampandrosoana tsy hiandrasana an-dranona na ranona. Tsy fotoan’ny ankikapokapoka latabatra izao fa vanim-potoan’ny fandavantena.

r.r

Partager sur: