Vonona hiara-hiasa amin’i Madagasikara i Ejipta ho fanatsarana ny sehatry ny fitaterana sy ho fampiroboroboana ny firenentsika ho toerana tsara hanaovana fampiasam-bola. Nambaran’ny minisitry ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro, Ramonjavelo Valery, nandritra ny diany tany Ejipta, ny herinandro teo, fa laharam-pahamehan’ny minisitera ny sehatry ny fifamoivoizana an-tanàn-dehibe, ny fananganana sy fitantanana ny seranan-tsambo. Tafiditra ao anatin’izay ny fifanakalozana, ny fitantanana ny lakandrano, ny fitaterana ana habakabaka. Ankoatra izay, mitady mpamatsy vola hampandehanana ireo tetikasam-pitaterana eto an-toerana ny minisitra, nandritra ny fihaonana tamin’ny Praiminisitra Lefitra sy ny Jly Kamel Al-Wazir, izay miandraikitra ny fanamboarana sy ny fitaterana ao an-toerana.
Fotodrafitrasa
Voaresaka nandritra ny dinika natao ireo andrin’ny politika ankapoben’ny fanjakana (PGE). Miompana amin’ny filàna famatsiam-bola amin’ny sehatry ny fambolena, ny famokarana angovo azo havaozina, ny fitantanana sy ny fahazoana rano izany. Manana traikefa sy orinasa fanta-daza maneran-tany i Ejipta ka nanamafy ny fahavononany hiara-hiasa aminitska. Ankilany, miomana sahady hitsidika an’i Madagasikara ao anatin’ny telo volana ho avy ka hijery akaiky ireo sehatra laharam-pahamehana ho an’ny fanjakana malagasy ry zareo Ejipsianina.
Henintsoa Hani