Miandry vokatra

 

Mihazakazakabe ny fanaovan-tsonia fifanarahana amin’ny firenena na fikambanana, na orinasa vahiny. Mahavelombolo ny fisokafana amin’ny zotra hafa, miala amin’ny famatsiam-bola mahazatra. Efa tsy hita ho kaontina intsony ny teti-bidin’ny trosa miparitaka any rehetra any. Zara aza mahita mangirana amin’ny fahatongavan’ny vola vahiny.
Ny indrokely, tsy tena mazava ny takalon’ilay fifanarahana vaovao. Tsy maintsy misy ny takalom-patsa vidim-pihinanana mantsy. Tsy misy volabe mandeha ho azy izany, indrindra ho an’ny firenena aziatika nosafidian’i Madagasikara ireto. Mitaky mangarahara izany satria iaraha-mahalala ihany koa fa tsy hoe 100 % hiditra aty amin’ny kitapom-bolan’ny fanjakana malagasy ny vola sy ny fampiasam-bola fa misy ireny karazana tambiny ho an’ny mpahita “sera na ny tataka” ireny.
Tsarabe ny finiavana sy ny fitadiavam-bahaolana, fa tsy ampy ny fampihinanana am-bolony an’ilay Malagasy. Ny vahoaka hatrany no mizaka ny tsieran’ny aina. Anisan’ny fototry ny olan’ny fananan-tany izao ny fahamaroan’ny vahiny, mahazo etsy sy eroa. Ilay “gasy petaka” moa dia very fananana. Tsy mahalala akory fa efa an-dry zalahy henjana ny lova navelan’ny razambe.
Tsy ny fahatongavan’ny vahiny no olana, satria Nosy isika ka mila fisokafana. Ny tsy fahampian’ny mangarahara no mampametra-panontaniana. Ny vokatra rahateo no tokony hitsarana ny zava-drehetra, kanefa aloha hatreto dia miandry fa gasy. Miandry an’i Paoly, hoy ny fiteny mahazatra. Fomba fiasa tsy ampy eto Madagasikara mihitsy ny resaka mangarahara.
Tsy mitaky ezaka lehibe anefa ny fanaovana izany fa finiavana kely avy amin’ny tsara sitrapo.
Marihina fa iaraha-mizaka eto avokoa na ny tsara na ny ratsy aterak’ireny fihazakazahana mitady vola etsy sy eroa ireny.

r.r

Partager sur: