I Bolo sy i Mashmanjaka no hanomboka ny andiany voalohany. Azo itarafana ny mety ho endriky ny “B Live Seho”, izay andiam-pampisehoana kasaina hitohy, hanokafana ny mozika malagasy, izany.
Manan-talenta saingy tsy ampy ny sehatra ivelaran’ny tanora. Faheno matetika anatin’ny fanehoan-kevitra izay. Vahaolana iray hoentin’ny Be Bose amin’izany ny “B Live Seho”. Haka endrika andiam-pampisehoana izy ity, saingy hivoaka kely amin’ny mahazatra fa hanokatra sy hampivelatra ny mozika malagasy kosa. “Tsy mpanakanto vao misondrotra akory i Bolo sy i Mashmanjaka izay hiakatra amin’ity andiany voalohany ity. Hanehoana io fa misy mozika hafa azo henoina tsara mihitsy ankoatra ireo faheno matetika. Ilay hira Ovni iarahan’izy mirahalahy ireto no anisan’ny nanaitra anay, satria fanambarana talenta nanome zava-baovao izany.” Io ny fanazavana nomen’i Toky Andriamifidy, izay tomponandraikitra voalohany ao amin’ny Be Bose, nandritra ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety, tetsy amin’ ny La Teinturerie Ampasanimalo, omaly.
Hotontosaina ny sabotsy 16 novambra izao, manomboka amin’ny 3 ora, etsy amin’ny PK 00 Soarano, ny “B Live Seho” voalohany. Samy anatin’ny fanomanana izany ireo tarika handray anjara ireto, amin’izao.
“Te hizara ilay hazavana, mozika voizinay izahay. Te hizara ilay onja miabo hatrany. Efa tsapanay fa miha manakaiky ny fon’ny olona izany. Ny Malagasy manana ny kolontsaina sy ny tantara azy manokana ary izay ilay fototra mila tazomina. Saingy mivoatra ny tany, mivoatra ny mozika dia mila alahatra amin’izay koa, fa hasongadina foana ilay maha Malagasy, dia manome ireny hira ireny. Hisy hagegena avo lenta hasehonay amin’io seho io”, hoy ny famehezan’i Mashmanjaka ny mozika voiziny.
“Mamaramparana ny tetikasa Ravitoto izahay io, hifantoka indray amin’ny tetikasa manaraka. Mifandray amin’ny tanjon’ny Be Bose ity Ravitoto ity satria samy nofinofy tiana hotanteraka avokoa. Tena seho lehibe io ho anay”, hoy kosa i Bolo.
Ho fanaporofoana izay fisokafana izay, hampiakatra an-tsehatra ny tarika 6 Watt ny mpikarakara, hanao ny tapany voalohany. “Tarika avy ao Fianarantsoa, mifototra amin’ny reggae fa mivelatra amin’ny dancehall, zouk, soul, sns, ry zalahy ireto. Hitanay nisongadina nandritra ny Fianara Reggae Festival farany teo, ka efa fotoana izao hiakarany sehatra goavana mivoaka an’i Fianarantsoa”, hoy hatrany i Toky Andriamifidy.
Zo ny Aina