Tanterahina nanomboka omaly hatramin’ny 17 novambra izao, any Toamasina, ny hetsika “Nofy Maitso- Festival de Slam poèsie et écologie”. Hetsika ara-javakanto natao hanentanana ny fikajiana sy fanarenana ny tontolo iainana izy ity. Hisy ny fifaninana ara-javakanto maro samihafa, toy ny « Slam poèsie », ny hira, ny dihy ary teatra. Mpiangaly ireo zavakanto ireo, notsongaina avy amin’ny faritra maro eto Madagasikara, no handray anjara amin’izany. Ankoatra ny fanomezana sehatra ireo tanora sy mpanantalenta. Tanjona ny hampahafantatra ny olona, indrindra ny ankizy sy ny tanora, ny zava-misy mianjady amin’ny tontolo iainana, ankehitriny. Resy lahatra ny mpikarakara fa anisan’ny fitaovana mahomby ahafahana mampita izany hafatra izany ny zavakanto.
Miditra amin’ny andiany fahatelo ny “Nofy Maitso- Festival de Slam poèsie et écologie”. Manana solontena mandray anjara amin’izany ny avy eto Antananarivo, Mahajanga, Fianarantsoa, Toliara, Antsiranana, Antsirabe, Ambositra, Mananjary, ary i Toamasina, ho an’ny « Slam poèsie ». Misy ny fifaninanana ho an’ny isaky ny tanàna fa misy koa ny isan’olona. Anisan’ny hitsarana ireo mpandray anjara ny fanentanany ny olom-pirenena amin’ny fiarovana sy fikajiana ny tontolo iainana. Ny alahady 17 novambra no hanaovana ny dingana famaranana ho an’ny fifaninanana isan-karazany, eny amin’ny araben’ny Miami Beach Toamasina, miaraka amin’ireo mpanakanto kalaza zanak’iny faritany iny.
Lin