Lelon-jaza

 

Tranga nanaitra ny mpanara-baovao, omaly, ny fanendrena olona tamin’ny filankevitry ny minisitra. Nisy ny olona nesorina ary efa naranty ny mpandimby azy. Tampoka, noho ny maraina, nofafana tao anatin’ny tatitra indray. Mijanona amin’ny toerana ilay efa nodakana am-bavafo. Ankoatra izay, misy ny tale napetraka vao ny 14 septambra dia efa nosoloina ihany koa, omaly. Misy ny tsy mbola nahavita fifamindram-pahefana dia nafindra amin’ny andraikitra hafa.
Sanatrian’ny vava ho fanakianana no nitaterana izany fa mba hanairana an’ireo tompon’ny teny farany. Atao hoe tsy matotra anefa amin’ny tranga tahaka izao, hanahirana. Sarotra miteniteny ny andraikitry ny hafa. I Madagasikara rahateo efa marefo raha ny fitantanana ny raharaham-panjakana no resahina. Fomba fiasa mila jerena akaiky tsy hanaratsy endrika an’ilay governemanta sy ilay filohan’ny Repoblika, nitarika ny filankevitra.
Tena tsy hay intsony koa moa ny tian’ny sasany hatao? Misy ny minisitra efa tsy manaraka baiko sy toromarika tahaka ny famahana ny olan’ny jiro sy rano. Misy aza sahy milaza an-kitsirano fa tsy olona tsy mahay ny asa no hiteniteny ireo teknisiana. Itony indray, asaina manasonia ilay didy hitsivolana ny Filoha, efa havoaka ho hitam-poko hitam-pirenena kanefa avy eo foanana indray. Aza dia atao kilalao ny sarin’ny filohan’ny Repoblika leiretsy a!
Tsy olana ny fiovan-kevitra fa ilay izy maika haderadera amin’ny tambajotran-tserasera no tena rangory fototry ny afo. Sady manala baraka ny rafitra ireny, no mety hamono olona ihany koa. Mba ahoana ny toe-pon’ny olona nolazaina fa voaroaka? Ahoana ny an’itony nambara fa nahazo seza, avy eo anefa tsy voatendry indray? Mila alamina daholo izany satria miditra anaty vanim-potoana saro-pady i Madagasikara vao mandeha io fifidianana io. Samia mandinika!

r.r

Partager sur: