Volabe amina miliara no voalaza fa nisy nanodinkodina tao amin’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena. “Hampanao fanadihadiana ny tomponandraikitra”, hoy ny minisitra.
«Tsy afaka ny hiray tsikombakomba amin’ny tomponandraikitra nanodinkodim-bola izahay. Hampanao fanadihadiana izahay mba ho fiarovana ny tombontsoa ambonin’ny firenena, andaniny. Ho fanantanterahana ny Politika ankapoben’ny fanjakana amin’ny fametrahana fanjakana tsara tantana sy miady amin’ny kolikoly izay tarihin’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, ankilany”, hoy ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena, Marson Moustapha Abdulah, omaly.
Nanazava ny antony tsy maintsy nanesorana ireo tomponandraikitra ambony vitsivitsy tao amin’ny departemanta izay tarihiny ny tenany. “Afa-baraka amin’ny mpamatsy vola ny firenena malagasy, lasa sorona ny mpanao fanatanjahantena sy ny tanora. Handrasana ny vokatry ny fanadihadiana fa ny vola voahodina aloha dia mahatratra miliara maromaro. Nisy ny vola tokony hanampiana ny tanora tamin’ny lalaon’ny Nosy, ny lalao olympika, ny lalao Afrikanina izay tsy tonga tany amin’ny tanora na ny atleta tokony hisitraka izany”, hoy hatrany ny fanambarany.
Resabe
Tsiahivina fa niteraka resabe teto an-dRenivohitra, omaly, ny fanesorana tamin’ny toerany ny tale jeneralin’ny Fanatanjahantena, Rakotozafy Rosa. Ity farany izay nitazona ny toerana efa ho 20 taona, ankehitriny. Asa mety misy hifandraisany amin’ny fanambaran’ny minisitra ve izany? Ity farany izay anisan’ny ekipa nikirakira ireo fanampiana ho an’ny mpanao fanatanjahantena. Nisy fikasana hihaona tamin’ity tale jeneraly teo aloha ity, omaly, saingy tsy tanteraka noho ny antony maro samihafa.
Marihina fa ankoatra ny nesorina, nisy ny tomponandraikitra ambony nisintaka nialoha ny fotoana. Misy ny nametra-pialana ka efa nifindra monina any am-pitandranomasina.
Randria