Échecs-Maneran-tany: hisolo tena i Tsinjoviniavo Aina

Tanterahina any Montesilvano Italie, nanomboka omaly hatramin’ny 27 novambra izao, ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany, taranja échecs, sokajy Cadet. Tsy diso anjara amin’izany ny eto an-toerana. Malagasy mpilalao échecs, Tsinjoviniavo Aina Mahasambatra no hisolo tena ny Malagasy mandritra ity fifaninanana ity, izay efa nihazo an’i Italie. Mpilalao échecs anisan’ny zandriny i Tsinjoviniavo izay vao 13 taona monja, kanefa efa manana tanjona ny ho tompondaka maneran-tany sahady, eo amin’ny taranja échecs. Tanjony ny ho lasa “Grand Maitre International”. Manana ny maha izy azy ity mpilalao ity raha ny lalaon-tsaina échecs no resahina. Tompondakan’i Afrika, teo amin’ny sokajy latsaky ny 12 taona izy ny taona 2023, ary tafiditra ho anisan’ny atleta malagasy niatrika ny lalao afrikanina natao tany Accra. Izy no mpilalao zandriny indrindra nahazo medaly nandritra ity lalao afrikanina ity. Tsiahivina fa nandrombaka ny medaly alimo niaraka tamin-dRakotomaharo Fy Antenaina i Tsinjoviniavo Aina Mahasambatra, nandritra izany, teo amin’ny lalao échecs, ho an’olon-droa. Vonona ny hanome ny tsara indrindra ity solontena malagasy ity, amin’ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany, taranja échecs io.

Mi.Raz

Partager sur: