Hakanto Contemporary: hanao fampirantiana i Benjamin Loyauté

Hanatanteraka fampirantiana eny amin’ny Hakanto Con­temporary Ankadimba­ho­a­ka, ny 23 novambra 2024, i Ben­jamin Loyauté. “Four seasons” no anarana nampitondraina ity fampirantiana ity. Mandritra izany no hampahafantaran’i Benjamin Loyauté ny maha izy azy eo amin’ny se­hatry ny zavakanto. Hane­ho­any ihany koa ireo zavakanto novokariny nandritra ny fandalinana nataony teto Mada­ga­sikara sy ny fiaraha-miasany tamin’ny tetikasa “Ndao hanavao” sy ny “Rubis Mécénat”.
Teratany Frantsay saingy mi­tety firenena maro noho ny zavakanto i Benjamin Loyauté. Bruxelles, Paris, Cusco ary An­tananarivo no tanàna hanatanterahany ny tetikasa ara-javakanto. Fampirantiana ma­ro ma­ne­ran-tany no efa nandraisany anjara. Anisan’izany ny MU­DAM tao Luxembourg, ny Po­wer Station of Art tao Shang­hai, ny MoMA tao New York, ny tao amin’ny Musée national de l’Immigration tao Paris ary ny King Abdulaziz Center for World Culture tao Arabie Saou­di­te. Tombony lehibe ho an’ny Malagasy mpahay kanto, araka izany, izao noho ny fahaiza-manao sy ny traikefan’i Benjamin Loyauté.

Lin

Partager sur: