Anisan’ny fotoan-dehibe ho an’ny “World Poetry Slam Championship” ny anio. Efa vonona tanteraka ny solontena malagasy hiatrika izany.
Tanterahina anio ny dingana manasa-dalana amin’ny “World Poetry Slam Championship”, andiany fahatelo, atao ao an-drenivohitr’i Togo. Firenena 25 no tafita amin’izany dingana izany ary anisan’izany i Madagasikara amin’ny alalan’ Andrianahy Bastino na Konahy Junior. Mizara ho vondrona roa ireo firenena 25 tafita amin’izany dingana izany, ary ao anatin’ny vondrona B, misy mpandray anjara 12 no misy an’i Madagasikara. Ireo dimy tsara indrindra isaky ny vondrona no hiatrika ny dingan’ny famaranana.
Mafimafy ny vondrona misy an’i Madagasikara amin’ity dingan’ny manasa-dalana ity. Tafaray vondrona amin-dry Côte d’Ivoire, Afrika Atsimo, Ghana i Madagasikara. Ireo firenena Afrikanina ireo izay teo alohan’i Madagasikara avokoa nandritra ny fifantenana ny ho solontenan’i Afrika. I Côte d’Ivoire sy i Burkina Faso no laharana voalohany sy faharoa ary Afrika Atsimo teo amin’ny laharana fahefatra. Ankoatra ireo firenena Afrikanina ireo miray vondrona amintsika ihany koa i Etazonia, izay antsoina hoe “Tanin’ny Slam”. Eo ihany koa ny Frantsay sy ny Porto Rico, izay manana ny maha izy azy eo amin’ny Slam.
Na eo aza anefa izany. “Hampody ny amboara aty Madagasikara no tanjona” hoy i Konahy Junior. Tombony ho an’ity solontena malagasy ity ny fahaizany miantsa “Slam” amin’ny teny Frantsay. Hainy ary miaina kokoa ny fiantsany ny “Slam” rehefa amin’ny teny frantsay. Ankoatra ny fandraisan’anjara amin’ny fifaninanana. Hahazo tombony ihany koa ny mpandray anjara noho ny fisian’ny atrikasa sy fiofanana iarahana amin’ireo matihanina sy sangany eo amin’ny tontolon’ny “Slam poèsie”.
Lin