Roa andro mialoha ilay seho goavana. Nanambara ny mpikarakara, omaly, fa ny karazana tapakila “Résa bronze” sisa no mbola misy vitsy, amin’ilay fampisehoan’ny tarika ‘Zay, ny alahady 16 novambra izao, etsy amin’ny Lapan’ ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina. Ny azo antoka dia tsy midila ny androany intsony dia ho lany tanteraka ny tapakila amin’ity fampisehoana ity.
Mbola manamafy izany fa manohy manoratra ny tantarany ny tarika ‘Zay. Nisy ny sedra maro nolalovan’ny tarika, fa mbola mijoro hanatanteraka ny andrasana aminy ihany ry Malala sy ny tariny. “Samy te…”, ilay anaran’ny seho nentiny tao amin’ny Barea Mahamasina ihany ity haverin’ny tarika ‘Zay etsy “an-tokotaniny” ity. Tokotaniny satria, tao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina no tena nametrahan’ny tarika ‘Zay ny tantarany. Lany mialoha hatrany ny tapakila, hatramin’ny nanombohan’izy ireo tao ary izao mbola voaporofo izao indray.
Amin’ny 3 ora sy 28 minitra no hanomboka ny seho. Ilay 28 io, maneho ny taona nolalovan’ny tarika. Hotetezina an-kira, toy ny mahazatra izany. Marina fa tsy hitovy tamin’ny taloha intsony, fa ny fanahin’ny hiran’ny tarika ‘Zay, efa lalim-paka any anatin’ireo mpankafy. Porofon’izany, maro ireo nandray anjara tamin’ilay fifaninanana “Karaoke”, izay sambany nisy tamin’ity. Mandritra io seho amin’ny alahady io ny famaranana, izany hoe, manoloana ireo mpankafy aman’alina no hisedrana ireo mpifaninana.
Zo ny Aina