Hotontosaina, anio, ny “Tsangantsaigny” any Ambatoharanana, Ambilobe. Hetsika ara-kolontsaina sy ara-pomba anisan’ny lehibe indrindra any an-toerana izy ity. Efa nafindra avy any Antsaravibe nihazo an’Ampisikina ny “hazomanjaka”, omaly. Efa vory lanona any an-toerana ihany koa ireo zanak’Ankarabe rehetra hanatontosa ity fotoan-dehibe ity.
Manentana ny Malagasy rehetra hanohana an’i Filamatra Matokia. Manomboka anio amin’ny 12 ora ny fifidianana mandritra ilay fifaninanan-kira iraisam-pirenena «Our Generation», hatao any Rosia, amin’izao fotoana izao. Hatramin’ny rahampitso amin’ ny 12 ora ny fifidianana, ka tena fohy dia fohy ny fotoana. Amin’izay ora izay koa vao azo ny rohy hanaovana ny fifidianana, ka entanina ny rehetra handray anjara.
Les Talenta, etsy amin’ ny Piment Café Behoririka. Fotoana manaraka hatolotr’ Inah sy i Mbola Talenta indray, anio manomboka amin’ny 8 ora sy sasany. Ho feno kokoa ny seho satria hitrotro azy mianadahy, mandritra izany, i Hoby eo amin’ny gitara, Faly eo amin’ny feo sy gitara, i Tonny eo amin’ny zavamaneno ravaka. Hira sy gadona maroloko toy ny mahazatra azy no hoentin’ny Les Talenta mandritra izany.
Solomiral eny amin’ny Fara West Faravohitra. Manome fotoana ireo mpankafy azy indray ny tarika, rahampitso manomboka amin’ny 8 ora sy sasany alina. Tohin’ny fanomezam-boninahitra an’i Fanaiky hatrany ity, no fanararaotana ihany koa amin’ny maha eto an-tanindrazana an’i Hajazz, hahafahany misehatra miaraka amin’ireo rahalahiny. Hitety ireo hirany ny Solomiral, ankoatra ireo sanganasana mpanakanto hafa fanaony an-tsehatra.