Andry iankinan’ny fanjakana tsara tantana sy ny mangarahara ny fampiasam-bola ny fampiasana ny Aid Managment Platform (AMP). Fitaovana iray ahafahana manangona ireo antontanisa mahakasika ny fanampiana rehetra ho an’ny fampandrosoana eo amin’ny fanjakana na «Aide publique au développement» (APD). Tanjona ny hisian’ny mangarahara amin’ny fampidirana ireo antontanisa eo anivon’ny minisitera sy ny mpiara-miombon’antoka samihafa. «Loharanom-baovao ofisialy sy azo antoka izay tantanin’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola nanomboka ny taona 2022 ny AMP», hoy ny minisitra Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo, omaly, nandritra ny atrikasa fampahafantarana sy fanentanana ny AMP. Notsindrian’ny minisitra tamin’ny lahateniny fa manan-danja ny fampidirana ireo antontanisa rehetra mahakasika ny fanampiana mba hanatsarana ny tahirin-kevitra ao amin’ny AMP. Hahafahana mitahiry ireo hita momba ny APD eto Madagasikara ny fampiasana ny haitao ara-kajy mirindra toy izao. Loharanom-baovao azo antoka hamantarana ireo fanampiana sy tohana azon’ny firenena hatramin’izay ny AMP. Ankoatra izay, ahafahan’ny fanjakana malagasy sy ny mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy mpamatsy vola manana tahirin-kevi-pitantanana ara-drafitra hahafahana manara-maso sy manao tombana ireo tetikasa sy fandaharanasa vatsiana avy any ivelany izany.
Henintsoa H.