VAOVAO TAMBATRA

Apetraka eny Ambatomirahavavy, Ampan­gabe ary Ambohidrano ny tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny herin’ny masoandro. Manana tanjaka 50 MW ny fotodrafitrasa izay natao hanampiana ny tambajotra iraisan’Antananarivo (RIA) ny 20 MW. Hotsinjaraina 5 MW avy ireo renivohi-paritany sy ao Nosy Be. Efa andalam-pitaterana ireo fitaovana hananganana ireo fotodrafitrasa ny fitondram-panjakana amin’izao fotoana.

Vidian’ireo mpandraharaha 1 700Ar ny kilaon’ ny letisia eny amin’ireo mpamokatra. Niakatra izany raha oharina tamin’ny taon-dasa izay 1 300Ar. Nihena hatramin’ny 50% ihany koa ny vokatra ao amin’ny faritra Atsinanana sy Analanjirofo noho ny fiovan’ny toetr’andro, ny fahanteran’ireo fototra letisia eto amintsika, tsy ampy koa ny orana. Hihena manaraka izany koa ny vokatra aondrana amin’i Madagasikara amin’ity taona ity.

Maneho ny fialantsiny amin’ireo mpandeha, manoloana ny korontana eo amin’ny sidina ataony, ny orinasa Madagascar Airlines. Misy, hoy izy ireo, ny olana ara-teknika eo amin’ny fiaramanidina nofaina tamin’ny kompania Cemair, manana olana ara-teknika ihany koa ny ATR iray raha mbola anatin’ny fanamboarana kosa ny fiaramanidina iray hafa. Noho izany, tsy misy ny zotra miainga raha tsy feno ny fepetra ahafahany misidina, hisorohana ny loza.

Partager sur: