Fampielezan-kevitra

 

Fampielezan-kevitra hanomboka rahampitso. Tena izay tokoa ve no hatao, haely, handresen-dahatra… ? Tanàna tsy ilaozan’adala. Na tsy tan-dalàna, tsy manaja tena sy tsy manaja ny hafa… Mandeha amin’izany ny fampielezam-bola fa tsy hevitra, fanaratsiana ny hafa, fanakiviana… Misy mihevitra fa ny fanaratsiana ny hafa no mahatsara ny tena. Tsy izay handresen-dahatra amin’ny hoe fampandrosoana no imasoana, fa izay hamotehana ny mpifanandrina amin’ny tena. Raha toy izany moa no famotehana izay manahirana ny vahoaka? Eo ny fahantrana, ny tsy fandriampahalemana, ny tsy fisian’asa, ny olana amin’ny famatsian-jiro sy rano…
Mba iza, ohatra, no tena manana foto-kevitra mazava ny amin’izany? Miaraka amin’ny vinam-piarahamonina, fandaharanasa, fomba fiasa… Amin’izay azo tanterahina fa tsy fampanantenana poakaty, tena mitondra fampandrosoana ny maha olona manontolo sy ny olona rehetra eo anivon’ny kaominina fa tsy famalifaliana, mijery lavitra fa tsy ny am-boalohany na eo no ho eo ihany… Anjaran’ny vahoaka ny mandinika, misafidy, manapa-kevitra… Iza no hanao inona? Tsy ilaozan’izay mihevitra ny vahoaka ho bado sy bodo, manararaotra ny fahantrany, mandrebireby, mamitaka… Izy avokoa izany? Mila fijoroana, fahamatorana, faharetana…
Matoa mbola izao ny fiainam-bahoaka ifotony, misy antony ao. Nisy fahadisoan-dalana? Na tsy manao ny fifidianana ho zava-dehibe fa avela handeha ho azy… Dia sasatry ny miarina. Mandra-pahoviana? Dieny izao fampielezan-kevitra izao: ilaina ny mandini-tena hahitana ny hafa, mandinika ny hafa koa hahalala ny hafa. Tena fampielezan-kevitra ve no hatao? Mba iza na inona koa no hanome hasina ny tena? Any amin’ny latsa-bato no hamaliana an’izay. Safidina tomponandraikitra? Na ny mpifidy na izay hofidina…

R. Nd.

Partager sur: