Tafita ary hiatrika ny famaranana hiadiana ny ho tompondakam-pirenena “XXL Top 20”, taranja rugby, ny CEA Andranomanalina sy ny 3FAI Ambalavao Isotry. Izy ireo izany no tafiditra ao amin’ny Top 12, amin’ny taom-pilalaovana 2025.
Tontosa, omaly, tetsy amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, ny manasa-dalana amin’ny “XXL Top 20 Mada”, taranja rugby. Hiatrika ny famaranana ny CEA Andranomanalina sy ny 3FAI Ambalavao Isotry. Fihaonana nandrasan’ny rehetra ny an’Andrano sy ny CRAI Ambalavao Isotry. Tsy namaly izay hetahetan’ny maro izay anefa ny niseho. Lavon’ny CEA tamin’ny isa 35 no ho 17 izy ireo. Nanjakan’Andrano ary nandihizany ny 30 mn voalohany. Tsy tonga tao anatin’ny faritra 22 metatra mihitsy ny CRAI. Haingam-pandeha ny fanafihan’ny CEA, notarihin-dry Mika sy ry Lalatina, ka nisesy ny baolina nentin-tanana. Efa nitarika tamin’ny isa 19 no ho 0 vao nahazo “essai de penalité” Ambalavao Isotry. Tsy nijanona teo, mbola nahatsara “hors jeu” iray i Mika, 1 mn tsy hahataperan’ny fizaram-potoana voalohany. 22 no ho 7 ny isa nialana sasatra.
Fizaram-potoana faharoa, niezaka nanafika ny CRAI, notarihin’i Hery Tiana sy i Romy saingy tsy tafavoaka mihitsy. Minitra faha-65, nilalao 13 ny CEA taorian’ny karatra mavo azon’i Hery Njaka sy i Kelly, tsy hain’ny CRAI ny nanararaotra izany. Mbola ny CEA indray aza no nahatonga baolina nentin-tanana tsy voatsara, niampy “drop goal” iray. 30 no ho 7 ny isa. Nanomboka nody ny mpijery taorian’izay. Tsy kivy ny CRAI fa nitady hirika hatrany ka nahatsindry baolina roa, tsy nisy voatsara ka 17 ihany ny isany. 2 mn tsy hiravana mbola nahatonga “essai” Andrano, voatsaran’i Mika.
Teo amin’ny manasa-dalana ilany, lavon’ny 3FAI tamin’ny isa 18 no ho 13 ny XV FA. Tafakatra ao amin’ny “Top 12” amin’ ny taom-pilalaovana 2025 ny 3FAI sy ny CEA.
Tompondaka