Vita sonia ny zoma teo, ny fifanaraham-piaraha-miasan’ny governemanta malagasy sy ny Vondrona eoropeanina (UE) mahakasika ny fampiofanana arakasa ny tanora sy ny vehivavy. Mitentina 35,5 tapitrisa euros ny famatsiam-bola entina hanatanterahana ny fandaharanasa. Haharitra enin-taona izany ka hampiofana ireo tanora amina sehatra miisa efatra hananana hoavy mamiratra. Ao anatin’izany ny sehatry ny angovo azo havaozina, ny toekarena manga, ny asa maitso ary ny niomerika. Nanao sonia ity fifanaraham-piaraha-miasa ity ny ambasadaoron’ny UE, Roland Kobia, sy ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo. Tanjona ny hanomezana fiofanana matihanina sy fampianarana teknika mora sy mahomby mba hahatonga ireo mpisitraka hahaleo tena sy mba hahafahana miditra amin’ny asa avy hatrany. Eo koa ny fanolorana fiofanana mifanaraka amin’ny filan’ny tsenan’ny asa.
Miisa efatra ireo faritra hisitraka ny fandaharanasa dia ny eto Analamanga, Vakinankaratra, Matsiatra Ambony ary ny ao Atsinanana. « Hanatsara ny fahaiza-manan’ny tanora malagasy ny fampiofanana matihanina toy izao, entina mampandroso ny firenena. Tohana ho an’ny fampandrosoana ara-toekarena izany ny vina iraisan’ny fitondram-panjakana sy ny Vondrona eoropeanina ary mifanaraka amin’ny filan’ny sehatra tsy miankina ity fandaharanasa ity », hoy ny masoivohon’ny Vondrona eoropeana, Roland kobia.
Henintsoa H.