Misy zavatra miseho tsy azon’ny saina eritreretina mihitsy eto amin’ity Madagasikara ity. Tena mahavariana fa ny natao hanirina no mainka mampivandravandra. Ny natao hiaro ny vahoaka sy ny marefo no mivadika manao tsindry hazolena. Tsy tahotra sy henatra fa na mpiasam-bahoaka aza no anarany, mivadika ho mpandray baikon’ny fianakavian’ny “henjana” sasany.
Ireo jiolahy efa nifampitadiavana an-taonany maro no mivadika ho sakaiza mahatokin-dry zalahy nomem-pahefana. Tsy azo enjehina sy samborina fa izy indray no mitory mpiasam-panjakana. Ny tena zava-doza, vitan-dry zalahy lehibe isan’ambaratonga ny mamadika ny olom-peheziny noho ny fiarovany ny sezany. Tsy mitombina intsony ny teny filamatra nohirahiraina.
Tsy mahagaga raha mikororosy ilay firenena. Efa miezaka mafy dia mafy ilay filohan’ny Repoblika. Raha ny fanamby napetrany tamin’ny taona 2018 izany anie ka nanodoka e! indrisy moa fa misy hatrany ny volo mpanoha-randrana. Misy ny mpisolelaka diso tafahoatra, miaro ny tombontsoany manokana ka mandroboka amin’ny lalàna tsy izy. Ny an’ny sasany aza mivadika ho hoditra akondro an-kitsirano.
Ny mpanolotsaina akaiky rahateo toa tsy sahy mijoro ho olom-pitarika sy mpanome hevitra hahasoa. Misy toerana sy anaram-boninahitra fotsiny. Karama toy ny karama fotsiny ny an’ny sasany. Izay vokatsoa ho an’ny filoham-pirenena, ny fitondrana ary ho an’ny vahoaka, tsy asian’izy ireny hasina. Manomboka ao anatiny ny fitandremana sy fisorohana izay mety ho singam-bolo mandavo ny vositra.
Tsotra, tia namana, tsy manary ekipa no toetra tena mampiavaka ny filoha Rajoelina Andry. Sady hery ho azy no fahalemeny anefa izany. Betsaka no manararaotra. Tena tsy any anefa ny lalana, fa mila madio filalao!
Randria