Filamatra Matokia : «Faly aho niaro ny voninahitr’i Madagasikara»

Namirapiratra teo amin’ny iraisam-pirenena indray ny zavakanto malagasy. Rariny raha toa ka fitsenana manetriketrika no natao an’i Filamatra Matokia, teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, oma­ly. Tonga maro ireo mpitsena, izay efa mpankafy sa­hady an’i Filamatra Matokia. « Falibe aho fa afaka niaro ny voninahitr’i Madagasikara, ka nitondra ny amboara nody. Sarotsarotra tamin’ny voalohany ny fifaneraserana teo aminay samy ankizy, saingy nahita hevitra niarahana teo dia nety ihany », hoy izy.
Avy niatrika ilay fifaninanan-kira «Our Generation» tany Kazan Russie, i Filamatra Matokia. Ankizy 15 izy ireo no nosafidian’ny mpikarakara hiatrika ny famaranana, ny sabotsy lasa teo. Nahazo ny amboara, noho ny safidin’ny mpankafy, i Filamatra Mato­kia. Midika izany fa nisy ny firaisankina nasehon’ireo Malagasy maneran-tany, an­koatra ireo efa mpankafy azy sahady. « Iray » ny lohatenin’ ny hira nosafidian’i Filamatra M nentiny nampiakatra avo ny voninahitr’i Madagasikara. «Hira maneho ny fihavanana sy firaisankina izy io, ka isaoranay antsika rehetra niara-nisalahy. I Filamatra no mitazona ny amboara fa antsika rehetra ny fandresena », hoy i Stan, rainy.
Ny tohin’ny lalan’i Fila­matra Matokia? Mazava loatra fa hanohy ny mozika. « Efa nandray anjara tamina fifaninanan-kira iray izy, saingy tsy afa-nanohy noho ny antony ara-pahasalamana tamin’izany. Tao aminy hatrany anefa izay faniriana izay, ary izahay tsy nanery mihitsy. Ny nifanarahanay kosa dia tsy maintsy mianatra, ankoatra ny fanaovana mozika », hoy hatrany i Stan.
« Rehefa misy nofinofy dia miezaka mafy fa tsy maintsy vita. Tsy kivy mihitsy », hoy kosa i Filamatra raha nanontanian’ny mpanao gazety, amin’izay torohevitra homeny ireo ankizy namany. Fantatra fa mbola horaisin’ny minisiteran’ny Kolontsaina sy ny serasera amin’ny fomba ofisialy, etsy amin’ny tokotanin’ny Tranombokim-pirenena Anosy izy, anio maraina.

Zo ny Aina

Partager sur: