TARATRY ny KANTO

Hoentina any Antsirabe ny Mampangidihidy « Z ». Teatra poetika nosoratan’i Avelo Nidor, anisan’ny maro mpankafy izy ity ka izay no nahatonga ny Faribolana Sandratra Betafo hikarakara ny hetsika. Ao amin’ny Tranoben’ny serasera sy ny kolontsaina Akon’Ankaratra no hanatanterahina izany ny sabotsy 23 novambra izao manomboka amin’ny 2 ora tolakandro.
Mbola tsy mahazo laka eo amin’ny Malagasy ny fahaizana ny tantarany. Anisan’ny tsy mahazo laka ao amin’ny ankohonana intsony ny fitantarana ny momba ireo razana niaviana hany ka very fototra ny ankamaroany. Avy aiza ianareo? Tsy fantatra! Aiza ny tanin-drazanareo? Tsy haiko! Inona ny fady anareo? Fa mbola misy izany angaha amin’izao vanim-potoana izao?…
« Kalokalo tsy tontan’ny ela », hiarahana amin’ny tarika Ny Voamaintilany sy Doda. Seho sehatra hotanterahina ny sabotsy 7 desambra izao, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany, ao amin’ny Le 411 Ambodifasina. Fampisehoana rindrankira an-tsehatra, anisan’ny tsy fahita matetika. Fotoana hamelomana indray ireo hiran’ny omaly sy ny kalon’Imerina.
Manan-karena ny dihy malagasy. Raha ny filazan’ireo manam-pahaizana momba ny dihy sy ny fivoaran’ny fiarahamonina, i Madagasikara no anisan’ny firenena manana karazan-dihy maro indrindra. Saika mifanaraka amin’ny hira eo amin’ilay toerana nipoirany ireny dihy ireny. Izany hoe, manan-karena amina karazan-kira ihany koa ny Malagasy. Saingy, tsy mety hita taratra ny akon’izany hatramin’izao!

Partager sur: