Mahaiza misafidy!

 

Raikitra indray! nisokatra omaly ny fotoan’ny fampielezan-kevitra. Maresadresaka ny tanàna. Afakafa-boly indray aloha ny vahoaka. Ny tsy misy atao afaka mikarama, manamaro isa. Ny tsy an’asa afaka manantena mana avy any amin’ny kandidà. Iaraha-mahalala fa misy ny fomba izay tsy hita ny maharatsy azy: ilay fanoloram-potsiny sy fihinanana ilay tsy nisasarana.
Maro ny olom-pirenena mbola roboka amin’ny indray manokona sy ny varotra am-pitsanganana. Maro ny mpanao politika vaky lela. Mivarotra vava sy nofy fahatany. Maro ny kobaka am-bava fa tena mbola mahomby. Asa, ilay haavo lentan’ny fanaovana politika mihitsy no mirefarefa? Tsy hita rahateo ny hamaritana azy ankehitriny. Samy mandroritra izay tiany handroritany azy.
Mifanindran-dalana amin’izay, ilay fomba fisainan’ny sarambabem-bahoaka ihany koa no mila jerena akaiky. Zary mihinana am-bolony, tsy afaka ny mandinika firy intsony. Asa, ilay fiantso azy ho valalabemandry na valala tsimandadiharona ity no tsy mba mampisokatra ny masom-panahiny? Sa ilay fanabadoana faobe, izay efa mandeha ho azy mihitsy no mampikatso ny zanak’atidohany? Very tanteraka ilay Madagasikara!
Tsy hita izay homen-tsiny amin’ny zava-miseho ankehitriny. Samy mizaka izay manandrify azy sisa ny olon-drehetra. Na ny mpitondra na ny vahoaka entina dia samy mahazo ny sahaza azy avokoa. Tsy misy afaka ny hitompo teny fantatra fa mbola miaina anaty filaminan-tsaina sy fitoniana aloha.
Mbola misy hatrany anefa ny fanantenana. Tsy misy maharitra na ny olana sy ny fahorian aza. Mbola afaka ny mihoitra Ramalagasy! Afaka miady sy maneho hevitra amin’ny alalan’ny latsabato. Mahaiza mifidy sy misafidy, araka izany. Andro iray hanova zavatra maro ny 11 desambra 2024 sy ny aorian’izay!

r.r

Partager sur: