Mahasoa sy mahafinaritra : hanolotra ny « Mizara hafaliana » ny tarika Haga, Miantsa Magis…

« Mizara hafaliana », seho ho fanampiana sy fanatsarana ny fotodrafitrasa handraisana ny zanaky ny sahirana. Fa, seho hitondra hafaliana koa satria tarika sy mpanakanto sangany no handray anjara.

Antoko mpihira Miantsa magis, tarika Haga amin’ny endriny feno, Ma­mina Kanto Gasy sy Ravaka. Tarika sy mpanakanto samy miezaka ny hanandratra ny maha malagasy, haseho amin’ ny hira sy ny dihy no hifan­dimby eny an-tsehatra ao
anatin’ny « Mizara hafaliana ». Fampisehoana hotontosaina ao amin’ny CCEsca Antani­mena, ny tolakandron’ny sa­botsy 23 novambra izao.

Miantsa magis, antoko mpi­hira tarihin’ny mompera Jaonah (Fiadanana nentin’ iny), mijoro eo anivon’ny Ekar Md Joseph Bezaha Toliara. Ankoatra ny tononkira mifono hevi-dalina, mampiavaka an-dry zareo ny soradihy mirindra manaja fatratra ny soatoavina malagasy. Mivoy ireo karazan-kira sy gadona ary hira avy any amin’ny faritra atsimon’ny Nosy, tahaka ny tsapiky, mangaliba, beko, sns. Tarika Haga iray manontolo, hanasonga­dina ilay feo miavaka ahafa­hana mifehy karazan-kira maro. Anisany misongadina amin’ izany ny gadona mihetsike­tsika avy eto afovoany sy avy any afovoany atsimon’ny Nosy. I Mamina Kanto Gasy sy Ravaka, fantatra amin’ilay fam­piaraham-peo kanto sy mirindra.
Hanampiana ny sahirana

Mikarakara ny « Mizara hafaliana », ny fikambanana « Mahats’Art Madagascar » sy ny « Asa sosialy sy koltoraly ho antsika » (Aska) Farafan-gana. Izy ireo izay samy misehatra amin’ny fanampiana ny mpiara-belona amin’ny alalan’ ny fanomezana fampianarana azy ireo hiala amin’ny tsy fa­haizana mamaky teny sy ma­noratra. Fanolorana fitaizam-panahy sy sakafo ho an’ny vatana. Ny hanatevenana ny kitapom-bolan’ireo fikambanana ireo hahafahany manatsara ny fotodrafitrasa handraisana ny zanaky ny sahirana tia fianarana sy fanabeazana (saina, vatana, fanahy), no antom-pisian’ity fampisehoana ity.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: