Manakaiky ilay fotoan-dehibe. Fanamby goavana ho an’ny Reko Band ny seho izay hotontosainy ny 22 desambra izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro, eny amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina. Nisy ny fihaonan’ny tarika tamin’ny mpanao gazety, nanomezana ny andinindiny, omaly, tetsy amin’ny foiben’ny Telma Andraharo. Fantatra fa famaranana ny « Reko Tour 2024 », ho an’ny eto Antananarivo sy ny manodidina io.
« Ho seho, fiarahana feno fihetseham-po io. Nomaninay amin’ny fonay rehetra”, hoy i Zazah, mpitendry amponga maroanaka ao amin’ny tarika. « Ho hafa mihitsy, araka ilay hira mamitsika iny io. Nanomana zavatra tsy ampoizinareo maro izahay. Matotra be io fampisehoana io. Efa niketrika ela izahay. Hiaraka hihetsi-po isika. Izany rahateo no maneho ny toetran’ny mozikanay sy ny hafatra ao anatiny. Ho an’ireo izay te hiara-hiredona ny hira aminay, aza manahy fa hisy tononkira alefa ao. Raha misy ny fotoana, tokony hiarahan’ny ankohonana amin’izao faramparan’ny taona izao, dia anisany io seho io », hoy kosa i Fy Rasolofoniaina, mpamorona sy mpitarika ny Reko Band.
Nahavita seho am-polony maro ny Reko Band, tao anatin’ ity « Reko Tour 2024 » ity. Tany ivelany ny 11 amin’ireo, nandritra ny iray volana. Mbola hisy tohiny kely kosa ho an’ireo faritra hafa tsy tongan’ny tarika tamin’ity, hatramin’ny volana marsa any. Tsiahivina fa lany mialoha avokoa ny tapakila tamin’ ny seho tao amin’ny CCEsca Antanimena, tamin’ny taon-dasa. Nampiakatra ny fanamby tao Antsahamanitra ny tarika ary nanaraka hatrany ireo mpankafy. Hisedra ny Lapan’ny fanatanjahantena kosa izy ireo izao.
Zo ny Aina