Malala Andrialavindrazana : mahaliana ny vahiny ny fampirantiany

Anisan’ny fampirantiana mahasarika mpitsidika maro ny rantin’i Malala Andrialavin­drazana ao amin’ny Palais de Tokyo Paris. Mpianatra, mpandalina momba ny zavakanto, mpanakanto miangaly hosodoko maro no tonga nijery izany. Anisan’izany i Pascal Lièvre, Emmanuelle Hamon. Raha tsiahivina, “Figures” no anarana nampitondraina izany hetsika izany, ahitana hosodoko amin’ny rindrina mirefy 60 metatra ny halavany ary 5 metatra ny haavony. Nanom­boka ny 16 oktobra ny fampirantiana ary tsy hifarana raha tsy ny 5 janoary 2025.
Nanomboka ny taona 2015 i Malala Andrialavindra­zana no namolavola ny “figures”. Ireo hevitra maro mifamezi­vezy sy mety manahirana eo anivon’ny sisintany maro, ma­hakasika ny tantara sy ny jeografia, ny sosialy sy ny kolon­tsaina, ny taloha sy ny ankehitriny, no hita ao. Mampaha­tsiahy ny tantara nipoiran’ny kapitalisma indostrialy, ny fa­natontoloana, ny fanjanahantany ary ny fanaparitahana entana sy sary maneran-tany, araka izany, ity sary ity. Araka ny nambaran’ireo mpitsidika, anisan’ny mampiavaka ity zavakanto ity ny fampitany fahalalana mahakasika ny tantara sy ny zava-misy amin’ny alalan’ny sary. Eo ihany koa ny endrika ivelany izay anisan’ny naneken’ny Palais de Tokyo handray azy. Ny Palais de Tokyo izay anisan’ny ivontoerana ara-javakanto sy kolon­tsaina anisan’ny sangany ao Paris.

Lin

Partager sur: