Hisy ny hetsika « Sokaf’hehy » tanterahina eny amin’ny CGM Analakely, anio tolakandro. Hetsika misokatra ho an’ny mpanakanto misehatra eo amin’ny fanaovana hatsikana, indrindra ny “Stand-Up”. Ankoatra ny fampialàna voly, tanjon’ny hetsika ny fanomezana sehatra ireo mpiangaly hatsikana sy ny fampiroborobona ny hatsikana “Stand Up”.
Noraisin’ny minisiteran’ny Serasera sy kolontsaina, Volamiranty Mara Dona, teny amin’ny birao fiasany, eny amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy, i Filamatra Matokia, omaly. I Filamatra Matokia, mpandresin’ny fifaninanana iraisam-pirenena “Our Generation” natao tany Rosia.
Namoaka fanambarana ny Omda. Ho fiarovana ny zo ara-moraly izay ao anatin’ny zon’ny mpamorona dia tsy maintsy mahazo alalana avy amin’ny tompon’ny sanganasa vao afaka manova na manao fandrindrana vaovao. Nanambara ihany koa ny sendikàn’ny kanto fa mila fifanarahana mazava ny fampiasana hira misy tompony amin’ny fampielezan-kevitra, mety hanohintohina ny hajan’ny mpamorona izany.
Ho avy ary hanao fampisehoana eto Madagasikara i Anisha Jo. Hotontosaina ny 15 desambra izao, eny amin’ny CCI Ivato, ity seho efa maro mpiandry ity. Tsiahivina fa i Anisha Jo, ilay tovovavy mpanakanto nibata ny amboaran’ny « Star Academy » farany teo. Teratany malagasy izy, ary tsy nanary mihitsy ny fototra niaviana na taloha na nandritra ireny fifaninanana ireny. Nanohana azy hatrany rahateo ny Malagasy manerana izao tontolo izao.