SOMBIM-BAOVAO

Fantatra, omaly, ireo ekipa 21 amin’ny 24 efa tafita hiatrika ny “Can Maroc 2025”. Ankoatra an’i Maroc, mpampiantrano, ao ihany koa i Côte d’Ivoire, tompon­daka farany, i Cameroun, Comores, Soudan, Benin, … Firenena iray goavana amin’ny baolina kitra tsy miatrika ity Can ity kosa i Ghana. Laharana farany tao amin’ny vondrona “F” izy ireo.

Hikarakara hetsika fampianarana ny taranja tenisy anaty efitrano, Padel, ny klioba avy any Atsinanana, Padel Club Tamatave, “Masteva”, ny 16-22 desambra ho avy izao, any Toamasina. Ilay mpilalao efa nandrafitra ny ekipa nasionaly malagasy, i Miary Zo, no hanofana amin’izany. Tsiahivina fa ireo ankizy 7 hatra­min’ny 13 taona ihany no afaka mandray anjara.

Nisongadina tamin’ny lalao nihaonan’ny St Denis la Reunion sy ny JSSP, i Berajo, Malagasy vodilaharana mila ravinahitra atsy La Réunion, izay milalao ao amin’ny St Denis FC. Nandresy tamin’ny isa 4 no ho 1 ny klioba misy an’i Berajo ary nahatafiditra baolina tamin’ity fifanandrinana ity ny tenany.

Hotanterahina anio, any Maroc, ny lalao hihaonan’ny Makis de Madagascar sy ny liona tsy voafo­lak’i Cameroun. Fihaonana izay tafiditra amin’ny fifanin­tsanana hiadiana ny tapakila hiakarana ao amin’ny Top 8, taranja rugby, lalaovin’olona 15. Ambony ny herijika ho an’ny Makis, efa nifankazatra hatramin’ny fahakeliny ireo mandrafitra ny ekipa nasionaly ireo, hoy i Rable, Makis mpilalao.

Partager sur: