Ho tapitra sahady ny 100 andro, ho an’ireo minisitra notendrena farany teo. Hatreto tsy hita mihitsy aloha ny tena zava-bitan’ny ankamaroan’ny mpikambana ao amin’ny governemanta. Azo isaina amin’ny ratsan-tanana ny departemanta mba mahavita asa mivaingana. Ny fanapariaham-pahefana sy ny fananan-tany izao no efa nahavita namoaka ny politikam-pirenena mahakasika izany. Tahirin-kevitra tena ilain’ny vahoaka malagasy, manoloana ny hodidina misy ankehitriny.
Miavaka ihany koa ny tanora anatin’ny governemanta, toy ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena, hany nahavita fitokanana fotodrafitrasa goavana. Manampy azy ny minisitry ny Raharaham-bahiny izay tsy mikely soroka amin’ny fampiroboroboana ny diplaomasia malagasy. Ankoatra izay, ny minisitra miandraikitra ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy. Hita taratra fa mitazona anjara toerana lehibe ny fahavononan’ny tanora sy ny finiavana hanao zavatra.
Santionany ireo, fa tsy horesahina ny mahakasika ny mpitandro filaminana, izay efa irahan’ny rehetra miaina isan’andro ny vokatry ny asan’izy ireo. Toraka izany ny minisitera hafa, izay miasa mangingina na misafidy ny tsy manao serasera. Handrasana ny valin’ny fanaovana tombana avy amin’ny filohan’ny Repoblika sy ny lehiben’ny governemanta. Izy mirahalahy rahateo no vavolombelon’ny fifanarahana nataon’ny minisitra amin’ny vahoaka malagasy.
Ny voamarika aloha hatreto, ireo tena manam-piniavana hiasa sy ahitana vokatra no misongadina. Misy ireo nahazo toerana no mihonona amin’ny fanendrena fotsiny ka ohatra ny hoe “zara aza nomena seza”. Misy departemanta, tsy hita ny asa ho an’ny tanindrazana sy ny vahoaka fa misongadina amin’ny fanandratan-tena. Andrasana izay ambaran’izy ireny any anaty tatitry ny asa vita! Tsy ny filohan’ny Repoblika hatrany no misolo vaika ny ankalana.
r.r