Tsy manaiky ny fisondrotry ny haba +0,5%, alaina amin’ny fifanakalozam-bola amin’ny finday (mobile Money), ireo mpandraharaha telo. Araka ny fanambarana iombonana nataon’izy ireo, afakomaly, ho lasa vesatra ho an’ny mpanjifa ny fikasan’ny fitantanana foibe ny hetra. Mety hampisondrotra avo roa hatramin’ny dimy heny ny saran’ny fifanakalozam-bola alain’ireo toerana Cash point, mikarakara ny mpanjifa izany. Marihina fa voakasiky ny fisondrotana ny vola mihoatra ny 150 000 Ariary.
Ho an’ireo mpandraharaha telo ireo : « hiantraika mivantana amin’ny lafiny fikirakirana ara-bola, hampihemotra ny fampiasana ny teknolojia niomerika ary mipaka amin’ny toekarena ny fepetra noraisin’ny fitantanana ny hetra. Hitombo isa ny asa fihariana tsy manara-penitra. Hihena ny fampidiram-bola vahiny. Ho kivy ny mpampiasa vola eto an-toerana sy avy any ivelany”.
Nihena 30% tatsy Afrika
Nomarihin’izy ireo fa efa hita ny voka-dratsin’ny fampitomboana ny haba tany amin’ ny firenena afrikana sasany toa an’i Cameroun, Centrafrique, Ghana, Tanzania, sns. Nihena -30% ny isan’ny mpikirakira ara-bola amin’ny finday. Nidina -60% ny sandan’ny vola nifanakalozana tao anatin’ny enim-bolana.
Misy ny vahaolana aroson’ireo mpandraharaha. Tsy misy afa-tsy ny fanohanan’ny fanjakana ny sehatry ny «mobile money », mba hanapariahana ny fampiasana azy ho an’ny daholobe.
Njaka A.