Fizahantany : fanoitra amin’ny fampandrosoana

Sehatra fahatelo anisan’ny mampidi-bola vahiny eto Madagasikara, ny fizahantany. Aorian’ny harena an-kibon’ny tany sy ny entana aondrana any ivelany izy.

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy, omaly, ny Tse­naben’ny fizahantany sy ny asa tanana. Haharitra telo andro izany, etsy amin’ny Kianjan’i Barea. Tonga teny an-toerana nitsidika ny ranty ny filohan’ny Repoblika, Rajoe­lina Andry. Nanambara izy ta­min’ny lahateny izay nataony fa zava-dehibe ny hetsika tahaka izao, ho an’ny fampandrosoana an’i Madagasikara. Tsy azony atao ambanin-javatra rahateo izany amin’ny maha filohan’ny SADC, handray ny andraikitra azy.

Nomarihiny fa asa mahavelona sy maharitra ny asa tanana eto Madagasikara. Maherin’ny 2,5 tapitrisa ireo mpisehatra ao anatiny. Anke­hitriny, miakatra avo roa heny ny vola miditra avy amin’ireo vokatra naondrana ka nahatratra 32 tapitrisa euros izany tamin’ity taona ity, raha toa ka 15 tapitrisa euros ny taona 2021.

Loharanom-bolabe

Ny taona 2023, mitentina 535 tapitrisa euros ny vola niditra tamin’ity sehatra ity. Asa mivantana maherin’ny 350 000 sy tsy mivantana ma­herin’ny 30 tapitrisa no nifo­rona. « Mitondra anjara biriky amin’ny fahatrarana ny Tanjon’ ny fampandrosoana lovainjafy (ODD) ny fizahantany amin’ny ady amin’ny fahantrana, famoronana asa mendrika, fampiroboroboana ny toekarena, famoronana asa sns », hoy ny minisitry ny Fizahantany sy ny asa tanana, Viviane Dewa, omaly, nandritra ny fanokafana
Ankoatra izay, hatsangana eny Ivato ny tetikasa « Lac Iarivo » izay hovitaina alohan’ ny volana aogositra 2025, fotoana handraisana ny fihaonana antampon’ny SADC eto amintsika. « Tetikasa goavana avo folo heny noho ny Miami, hampiroboroboana ny fizahantany», hoy ny filoham-pirenena, omaly, nandritra ny fitsidihany ny hetsika.

Henintsoa H.

Partager sur: