Tao anatin’ny dimy taona nisiany, maherin’ny 54 miliara Ar ny famatsiam-bola natolotry ny tahiry Famatsiam-bola malagasy ho fampiofanana ny mpiasa (FMFP), ho fanofanana ireo mpiasa. Maherin’ny 100 000 ireo nisitraka ny tetikasa. « Mamatsy vola mitentina 14 tapitrisa euros ireo mpiara-miombon’antoky ny FMFP, toy ny Agence française de développement (AFD) sy ny Vondrona eoropeanina (UE) nahafahana nanatanteraka ny asa sy nanitatra ny seha-piasany », hoy ny tale jeneralin’ny FMFP, Andriambololona Pierre, omaly, tetsy Alarobia, nandritra ny famaranana ny fankalazana ny fahadimy taon’ny FMFP. Marihina fa nitsangana taorian’ny fankatoavana ny fampananasa
sy ny fanofanana arakasa (PNEPP), ny taona 2015, ny FMFP. Mandoa latsakemboka 1% ireo orinasa mivondrona ao aminy mba hahafahana manome fiofanana mamaly ny filan’ny sehatry ny asa. Tsara ny vokatra ka nampiakatra ny 90% ny lentan’ireo mpisitraka. Anisan’ireo niseharan’ny FMFP ny fizahantany, ny trano fandraisam-bahiny, ny trano fisakafoana. Ao koa ny fanorenan-trano, ny harena an-kibon’ny tany, ny lamba sy ireo kojakoja miaraka aminy, ny fampandrosoana eny ambanivohitra sns, raha ny fanazavana voaray.
Vina
Tanjona apetraky ny tetikasa ho an’ny taona manaraka ny hampitombo ireo orinasa sy mpiasa hisitraka fiofanana. Tetikasa izay hiarahany amin’ ireo minisitera samihafa. Ankoatra izay, vita sonia, omaly, ihany koa ny fifanaraham-piaraha-miasan’ny FMFP sy ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa (METFP) hampiakarana ny lentan’ny mpianatra. «Hojerena akaiky koa ireo traikefa sy fahalalana azo teo amin’ny sehatry ny asa kanefa tsy nahazoana taratasy fanamarinana », hoy ny minisitra Rasoloarisoa Marie Marcelline. Ankilany, notolorana « Awards FMFP » na amboara ireo orinasa nampiofana mpiasa maro tao aminy.
Henintsoa Hani