Mila fahaizana miara-miaina

 

Mandeha araka ny tokony ho izy ny fampielezan-kevitra manerana ny Nosy. Milamina avokoa izany amin’ny ankapobeny, afa-tsy ny singa maningana toy ny tany amin’ny distrikan’Isandra, nifanala baraka ny kandidà ben’ny Tanàna laoranjy sy ny depiote. Tsy misy olana ny eto an-dRenivohitra izay taratry ny faritra rehetra.
Ny tiana ho antitranterina amin’izao vao fiatombohan’ny lalao izao ny mahakasika ireo fomba fanao mamohehitra ataon’ny mpanohana kandidà sasany. Misy ny manakarama olona hanao ratsy fotsiny ny mpifaninana. Misy ny miandry kendry tohina amin’ny filazana fa mandika lalàna izatsy na izaroa. Ny tena zava-doza, misy any anelanelan-trano rehetra any no mitady olona ho mpanongotra afisin’ny kandidà hafa.
Fifidianana fototra, tena manan-danja ho an’ny hoavin’ny firenena ny fifidianana ho ben’ny Tanàna. Tsy tokony hisy, araka izany, ny politika maloto, hifampisomparana. Fotoana tokony hahaizana mampiseho ny fifanohanan’ny samy Malagasy izao. Tsy ny firehan-kevitra tsy mitovy no hifamonoan’ny samy mpiray tanàna. Mila miezaka sy mijoro amin’ny fahitsiana ny herivelona rehetra manam-paniriana ny hitondra ny tanànany.
Ny firaisan-tsaina dieny aty amin’ny fampielezan-kevitra no ho taratry ny fiaraha-miasa rahatrizay voafidy ny tsirairay. Tsy afa-miaraka rahateo ny sakay sy maso, na ny vary sy ny tsiparifary. Fampandroasoana anefa tsy vita raha tsy anaty firaisan-tsaina. Mila miara-mientana ny olon-drehetra na samy manana ny heviny sy ny sainy aza. Tsy maintsy hampitovy tadin-dokanga ho an’ny dimy taona manaraka.
Tsy maintsy miaraka manangana izay azo atsangana amin’ny kaominina misy azy ny tsirairay. Mila mitady hirika amin’ny tsy maintsy hampandrosoana any ifotony. Mila fahaizana miara-miaina izany.

r.r

Partager sur: