“Kalo Gasy…Iray fitempo”: hiray sehatra ny Zandry Gasy sy ny M’iray Kalo

Famohazana, famelomana, fanandratana, fampitiavana ary fanapariahana ny hira malagasy. Mitovy tanjona ny tarika zandry Gasy sy ny M’iray Kalo amin’izay, ka nahateraka ny tetikasa “Kalo Gasy… Iray fitempo”. Fam­pisehoana izay hotontosaina ny sabotsy 30 novambra izao izy ity, eny amin’ny Arena Ivandry.
“Kalo Gasy”, satria hifandimby an-tsehatra ao ny ba gasy sy ny hira teatraly, ahafantarana ny tarika roa tonta. “Hanana ora iray avy eo izahay, ankoatra ireo hira vitsivitsy iarahana”, hoy ny nambaran’i Mbola Talenta, lehiben’ny tarika Zandry Gasy. Ho azy ireo, hivoy ny “Bagasy mazia romotra”, izay entiny hamaritan’ny Zandry Gasy ny mozika lalaoviny. Misy ireo hira izay efa tsy heno aman-taonany maro no novelomin’ny Zandry Gasy indray aty aoriana. Anisan’ireny ny “Ambanivo­hitra” an’ny tarika Riambetso, “Mahereza” an’ny tarika Ny Any Aminay, “Tsy kivy” an-dRasitefa, sns. Mamoron-kira ary manana ny azy manokana koa anefa ny tarika. Efa voarain’ny olona ny “Hanina ny taniko”, “Amin’ny anaran’ny sahirana”, sns.
Mamerina sy mamelona ireo hira teatraly, na antsoina ihany koa hoe kalon’ny fahiny kosa ny M’iray Kalo. Tarika ivondronana tanora manan-talenta, samy te hanandratra ny kalo gasy. Mamerina in­dray ny sanganasan’ireo an­drarezin’ny hira teatraly teto Imerina, toa an-dry Naly Rakotofiringa, Naka Rabe­manantsoa, Justin Rajoro, Andrianary Ratinarivo, sns, izy ireo. Miezaka mampahafantatra ny mombamomba ny mpamorona sy ny hira ary ny tantara nisy azy ihany koa.

Zo ny Aina

Partager sur: